Tojo (Bodo)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Bodo
Mpamaky : 3039
Nampidirin'i : Amazone
Tamin'ny : 27/02/2007 14:53:34
ID : 4245

Imprimer Facebook Facebook
Tiako ny hihira
Hira toy ny anao
Hira tsy ho lefy
Na antitra aza aho
          Natambatro ny hira
          Hanasako anao
          Hira ho ahy sy ho anao

Ho hira iray, mampifandray
Satria fitia, tsy lò
No tao am-po
Ka hita rano indray
Satria iray, ny saina
Nikotrika
Ka hasandratra ho avo

Tiako ny ho tojo
Feo iray toy ny anao
Feom-boromanga
Mambabo ny fanahy
          Natambatro ny hira
          Hanasako anao
          Hira ho ahy sy ho anao

Ho hira iray, mampifandray
Satria fitia, tsy lò
No tao am-po
Ka hita rano indray
Satria iray, ny saina
Nikotrika
Ka hasandratra ho avo

SOLO & BODO

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo