Tanora (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Vita ô, hisakafo ny zanako!
A table!

‘Ndraso aloha e
Neny a, za mbola tsy nôana be fa voky
Ho atsy @ chambre-ko atsy aho hanao Facebook
Saromy eo ny kaliko aloha, tonga eo za @ 2
Mazotoa daholo nareo, bisous
Fa misy adino kely kay ry neny a,
Ny bandy akamako isanandro zao miteny hoe
Kiraro iray iny foanana, mandavataona
Mifosa anàh fôana no andaniany fotoana
Fa ra mba mety moa e
Ny vola refa misy hividiano jôrda(n) ah(o) retro 6
Eo fa hataoko faly neny rehefa mizara bulletin
Ny moyenne-ko @ty hataoko 20/20

Vato mandondona ianao
Tanora fanahy koa
Izay rehetra hitanao
Midorehitra vaovao

Maro koa ireo sampanana
Miolika havia sy havanana
Ka mahaiza mifidy
Mba tsy ho tojo ny mangidy

Ianareo no ho avy
Ianareo no handrandraina
Ka miraisa hina
Ho reharehan’ny fianakaviana

Tianay ho tafita
Irianay hahavita
Hisondrotra isan’andro
Ho lasa avo dia avo
Ho tsara fijery
Ho tombanan-kery
Mba tena hamiratra

Maman keep calm, reste cool !
Fa za tsy maintsy mi- défoule
Ka aleo ah mba hanala azy
Fa ianao mantsy efa tsy à la page
Impiry ho tanora amin’ity tany ity ?
Aleo za mba hivoaboaka
Ohatrohatra anaty boite de nuit
Hifoka sy higaka toaka

Be dia be ny fakam-panahy
Ianao mantsy mora avily
Ny fiontanam-po
Raiso am-pitoniana

F’ianareo no andry
Hianteherana rahatrizay
Ka mivondrona ho iray
Mijoroa saina sy fanahy

Tianay ho tafita
Irianay hahavita
Hisondrotra isan’andro
Ho lasa avo dia avo
Ho tsara fijery
Ho tombanan-kery
Mba tena hamiratra

E, zanako ô!
‘Za anie maman cool e!
Ny mba hahaolom-banona sy hahahendry anareo
Izay ny ahy ny tolona! (O.K!)
Facebook ary, boite aty
Tsy maninona izany (hmmm)
F’efa betsaka ny vita
Efa nitady dia nahita
Dia avadika ny page e

Na teo ary ireo ditra maro nataoko de i mama tsy niala (mama tsy niala)
Tsy mitsara mihitsy manongo mibedy ity zanaka adala (zanaka adala)
Ka normale izy raha be morale fa ny écolage-tsika mtsam efa mitentina ho firy alina
K’andao lesy hiova ho hendry amin'izay
Hosasatsika mitsam ny vilia rehefa rahalina

Ianareo no ho avy
Ianareo no handrandraina
Ka miraisa hina
Ho reharehan’ny fianakaviana

Tianay ho tafita
Irianay hahavita
Hisondrotra isan’andro
Ho lasa avo dia avo
Ho tsara fijery
Ho tombanan-kery
Mba tena hamiratra
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bodo
Vangy : 2465
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 21/01/2017 13:55
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3482