satriko (Bodo)
Mpihira : BodoMpamaky : 1597
Nampidirin'i : mamy78
Tamin'ny : 24/01/2007 20:08:41
ID : 4169 Satriko tsy hilentika iny masoandro iny
Fa sompatra ny alina
Satriko ho mavana irony ahi-maitso
Fa tonga ny ririnina
Satriko tsy ho levona ny afo nanafana
Fa lasana lavenona
Satriko ny hisaraka ny tana- mifandray
Fa sendra tadio sy orana maventy
Tora- defona mafonja
Ka nilofika tsy fidiny
Tsy iriko, tsy iriko ny handratra
Fanahy ankiroa mifangoa
Fa tendrin’ny ao ambony
Izay no fiononako
Sy vali-tonom-bavako
Raha ho lasa ianao anefa ny foko mitahiry
Ilay nofy mamy teo
Fa izay no sisa heriko
Ahafahako milanja ilay alahelom-poko




