Satria ( Efa fantatrao) (Bodo)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Bodo
Mpamaky : 2845
Nampidirin'i : maeva74
Tamin'ny : 07/01/2010 09:54:26
ID : 5768

Imprimer Facebook Facebook
Efa fantatrao angamba (2)
Fa ny fahitako anao
Nampitombo lanja ny heriko
Fa ilay fitsikinao
Nampikombona ny feriko
Fa ny diam-peninao
Nahababo ny fijeriko
Fa ny tononkalonao
Zary lasa tsianjeriko

Efa fantatrao angamba (2)
Fa ny teny maminao
No tahiry tsy mba veriko
Fa ny andinim-piainanao
Raikitra ho misiteriko

Satria tiako
Tia ahy ianao
Ka ny aminao rehetra
Zava-tsaro-bidy ho ahy
Satria koa
Tia ahy ianao
Dia nisy hery izay nametra
Sy nitantana fanahy

Fa ny foko manontolo
No efa voakolokolo
Hamoa fitia ho anao daholo (2)
Fantatrao hatramin'izao
Fa ianao, ianao ihany
No hany tokako eto an-tany

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo