Ny anao sy ny azy (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ingahibe noelinao nandeha sambon-danitra ,
Efa tonga ela tsy nanano-sarotra e! e!
Ny azy kosa ho' aho nandeha fiara mikodia
Tratra embouteillage teny Ambanidia e! e!
Ny sakafonao misy ambiny an-dovia,
Ny azy kosa ho'aho ery an-joridira ery e! e!
Raha mba manana ianao mba malala-tànana,
Izarao ihany ireo niangarana e! e!

Tsy fidiny azy anie ny ho tonga amin 'io toerana io,
Tsy nangataka izy hoe: Inty aho hampijalio,
Fa satriny aza aky! ho mandina ny molony,
Ho soa ny akaniny, lafatra sy kanto ery

Nihen-danja hono ny vola malagasy,
Ariary dimy aza lasa tokana e! e!
Ny azy kosa hono raha mba mangataka,
Ari' roa iha'ny fa tsy miakatra e! e!
Ianao mlvaoka: rano-manitra midofaka,
Izy kosa ho' aho: masiso, miosom-potaka e!
K' aza lalim-paosy manao hoe: alea mandeha
Tsy misy vola, mikisà fa maimbo be e! e!
--------
Rohy:
Hevitra
ikalamako ( 19/04/2015 01:21)
Misy afaka manamarina ve fa hitako tatsy ambadika tatsy fa an'i Bessa hoe ity tonony ity (ary ny feony ?)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bodo
Vangy : 5203
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 19/04/2015 01:19
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.2499