'Ndao handihy (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Sasa-miandry azy eo ianao
Angamba izy efa lasa lavitra
Nandalo teto efa ho ora iray
Izy nanao veloma tsy niherika
Nitsikitsiky fatratra
Niakanjo tena tonga lafatra
Raha izaho no toa anao
Dia nandeha aho fa izy tsy ho avy

’Ndao handihy hiaraka amiko
Fa izay lasa any an-kafa tsy hiverina intsony,
Malakia ho tantanako
Fa ny anio sy ny ampitso tsy hitovy intsony.

Iza moa no anaranao ?
Mba tiako ho fantatra ka mba lazao.
Raha mba te-hiantso anao
Afaka omenao ve ny nomerao ?
Rehefa hariva dia hateriko ianao
Hateriko eny am-baravarana,
Ary ny ampitso indray
Ka izaho tsy hampiandry ela anao.

’Ndao handihy...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bodo
Vangy : 9396
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 24/10/2002 15:08
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5013