Fotsiny (Bodo)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Bodo
Mpamaky : 2712
Nampidirin'i : Amazone
Tamin'ny : 12/08/2007 09:59:40
ID : 4631

Imprimer Facebook Facebook
FOTSINY

Tiako fotsiny ianao
Tsy asiana hoe "nahoana"
Na tovonana "satria"
Fa tiako fotsiny amin’izao
Tiako fotsiny ianao
Tsy asiana hoe "nahoana"
Tsy amerana fotoana
Tiako fotsiny doria.

Tsy ny teny izay tononina
No hahafeno fitia
Tsy ny toky izay foronina
Mora rava sy malia,
Mora rava sy malia
Fa ny fo tsy manam-peo.


Ny "satria" sy ny "nahoana"
Mety ho takatry ny saina ?
Tetika ikendrena laka…
Haingon-teny babangoana,
Ny "satria" sy ny "nahoana"
Mety ho takatry ny saina ?
Rindram-bola very maina,
Ravina tsy misy faka

Tsy ny teny izay tononina
No hahafeno fitia
Tsy ny toky izay foronina
Mora rava sy malia,
Mora rava sy malia
Fa ny fo tsy manam-peo.

Tsy ny teny izay tononina
No hahafeno fitia
Tsy ny toky izay foronina
Mora rava sy malia,
Mora rava sy malia
Fa ny fo tsy manam-peo.

Tiako fotsiny ianao .....


Mpihira: Bodo
Tonony: Rado
Feony: Rolly

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo