Fony (Bodo)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Bodo
Mpamaky : 2154
Nampidirin'i : nosyfaniry
Tamin'ny : 17/11/2008 14:50:49
ID : 5444

Imprimer Facebook Facebook
Fa fony vao namoa ny fitiavako anao
Nanomboka nazava ilay jiro mitsilopy
Dia tonga ny havandra sy ny orana mikija
Tonga hisompatra
Nanapaka ny taho sy namono ilay afo

Tsy naharitra aho fa lasa
Nanefay akany vaovao
Hanorenako indray ilay fitia nitsahinao
Nandratra ahy

Ref Ka rehefa lalim-paka sy tafajoro tsara
      Ilay hazo novoleko
      Dia tonga indray ianao
      Handrava sy hiantso hoe andao aty
      Fandavana hatrany no asetriko izany
      Fa aminao ny vao tsy manitra no ratsy
      Rehefa tonta iray ihany

Tsy naharitra aho fa lasa
Nanefy akany vaovao
Hanorenako indray
Ilay fitia nitsahinao
Nandratra ahy

Ref:

Aleo aho itoetra na misy fahantrana
Fa mamiko ny akaniko na tsy foiko ianao

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo