Dada (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dada olon-tokana
Masoandro amam-bolan’ny fiainako
Tsy mitandro hasasarana
Tsy mety valalanina
Satria mitsinjo an-janany

Dada be fitivana
Jiro nanazava ny fiainako
Niafy dia niafy ianao
Nanao izay azonao natao
Isaorako eto ny anaranao

Ianao indrindra no nampianatra ahy
Hiatrika ny fiainako any aoriana
Niaritra ny mafy ianao
Tsy hisy hahasolo ny anaranao
Hitoetra ao am-poko ny fitiavanao
Fitia tsy manam-petra, ny fiainanao rehetra
O! ry Dada o! Tena tiako ianao

Dada olon-tokana
Masoandro amam-bolan’ny fiainako
Nitaiza sy nanalokolo
Eny, na dia fotsy volo
Zay nataony vokatry ny fo

Dada be fitiavana
Jiro nanazava ny fiainako
Nananatra, nampianatra
Nikolokolo fatratra
Fitiavana tsy takatry ny loha

Ianao indrindra no nampianatra ahy...........
--------
Rohy:
Hevitra
norojosianeandri ( 02/10/2016 14:50)
Mahatsiaro mafy an'i dada tokoa aho @ zao fotoana izao!!! Mirary fahasalamana ho anao ry dada malala ary mino aho fa tsy ho ela dia hivoaka ny hopitaly ianao ka hiaraka hihomehy indray isika, eny na dia fotoana fohy monja aza sisa homen'ny Tompo hifalian-tsika miaraka farany!!! Satria mino aho fa @ andro ialanao eto amin'izao tany fandalovana izao dia horaisin'ny Tompo eo akaikiny ianao ka ho sambatra mandrakizay!!! Io tonon-kiran'i Bodo io dia tena marina teo @ fiainan'i dada!!!
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bodo
Vangy : 24262
Mpankafy : 4 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 11/05/2005 04:39
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0719