Aro (Bodo)

Mpihira : Bodo
Mpamaky : 2277
Nampidirin'i : Miangola
Tamin'ny : 23/12/2002 20:25:46
ID : 1345

Tsora-kazo mifamaho
Efa firy no nitranga teny an-dalanodiaviko
Tao ny orana mitraho
Tao ny tsikin’andro manga
Nefa samy nodiaviko
Ary nisy fijaliana tsy nampoiziko tokoa
Nizahana toetra ahy
Saingy tamim-pifaliana
No nandraisako azy ho soa
Mampiorona fanahy
      Ref:Tsy hoe izaho no tsy mahatsiaro
           Raha tsy de mikaikaika
           Amin’ny ratram-po sy feriko
           Fa ianao Jeso
           Miaro ny finoako tsy hiraika
           Ka ny herinao no heriko

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo