Aok'izay (Bodo)
Mpihira : BodoMpamaky : 3991
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 21/08/2002 18:45:47
ID : 894 Aoka izay ngidinao
O! ry vintako tsy tsara
Fa ifonako tokoa
Maty aho fa mitsahara
Midaraboka mianjera efa tsy maharin-tena
Asanao raha dia ho sahy
Irony tsindry hazo lena
He ’ty hoditry ny foko
Miepakepaka tsy nahy
Fa voarangotrao daholo
Na ny saiko na fanahy
Dian’antsy dia-nify
No natentineo ny foko
Dray ry vintako malala
Manafotra ahy ny mitoloko
Asanao ry vintako
Maty aho aminao e
Asanao tokoa tokoa
Asanao dia asanao
Raha hijery ity toloko
Apotrapotrako tsy miato
Na ho faly ny hatoriako
Eo am-parafara vato




