Anjelinao (Bodo)

Mpihira : Bodo
Mpamaky : 2214
Nampidirin'i : Michèle RAKOTOARISON
Tamin'ny : 02/01/2002 19:34:22
ID : 457

Toa fanaperana aho hoy ianao
Fa toa anjely aho imasonao
Tsy izaho no tsara fa ny fitiavanao
Tsy izaho no anjely fa ianao
Sy ny fonao tia
     Meva fitafy aho voalazanao
     Voatenona tsara sy vaovao
     Fitafy tsara raha ny fitiavanao
     Voatenona tsara ny toky izay
     Nomenao ahy
Manan-danja aho eo aminao
Izaho no mpanjaka hoy ianao
Zinona izao rehetra izao
Satria izao no ao am-ponao
Izay aleha toa misy anao
Na ny mosika aza hira ho anao
Ny eritreritro any aminao
Satria ianao no ao am-poko ao

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo