Ampamoizo (Bodo)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Dia kotsan-dranomaso indray
Ny tavako andraony.
Voafitaky ny foko
Henika fitia,
Zay toa mibatabitaka
Miandry anao ho avy
Kinanjo dia nangaina
Tsy nahavery dia.

Ampamoizo aho
Fa mafy sy mangidy
Ny miambina isan’andro
Ny antsonao tsy ho avy
Ampamoizo aho
fa tebiteby foana
Ny miandry ilay " TSIA"
Tsy hamonjy ny fotoana
Indray ianao
Anio
Dia miezaka hampangiana
Hampangiana anao
Ry foko mitoloko
Henika fitia
Kanefa dia miboika
Toa tsy misy fetra
Ny emboka fitia
Apololoitranao

Ampamoizo aho
...................
...................

Raha vao mandre ny anarany
Ny mombamomba azy ianao
Tsy mahalala fahafatesana
Fa tia hatramin’ny farany

Ampamoizo aho
..................

Tonony :Bodo
Feony :Bodo
--------
Rohy:
Hevitra
dd ( 05/04/2023 00:36)
Tena lalina loatra ny tonon'ity hira ity <3
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bodo
Vangy : 12831
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 04/11/2005 10:27
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0123