Tsy anjarako (Black Nadia)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Niarahako nitiako anao lehilahy igny e
Satria ia voatendry ho eo akaikiko eo
Fa ndre maro ny lehilahy talohanao
Anao raika avao no tiako am-poko tsy voafafa
Lehilahy tiako izy
Tsy natao anay izy
Lehilahy niriako ho vady kay efa manana gny tiany
Fiarahanay ny soa tsy nifoko hony raha
Fa tafiditra iaho izy vao nizaka fa gnagnay kay tsy anjara

Mamiko e ô ô ô tiako e
O o o tsy foiko e
Fa tsy anjarako e
Mamiko e
Marary ny foko e
Fa asa akory gny ataoko e
Fa ny anjarako e

Dre dia lava agny anao
Mba tadidio avao gny natao
Ataoko angamba fa tsy fidiny ho anao
Matoa zaho nilainao tagnatiny maro
Anisany gny tianao avao
Nahafinaritry anao
Fitiavantsika tsy nampoiziko izay no niafarany
Tsy mba niadiady tsy nifankafoy izay
Dia atao akory fa izaho tafara
Tsy maintsy miala
Fitiavana tsy anjara miafara amin'ny fisarahana

Tsofiko rano anao amin'ny fiainana
Fitiava tsika tsy anjara
Tsy hatao halaelovana anao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Black Nadia
Vangy : 13041
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 13/02/2015 12:45
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0117