Na dia (Black Jack's)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Na dia mahantra kely sy mavomavo aho
Mahatsiaro sambatra aho fa manana aho
Sisa tokiko amin’ny mafy mpandavo, mpanoro ny atao

Na dia kamboty kely tsisy antenaina
Afa tsy ny herin-tsaina ho enti-mitady
Ny ho adiko ny soa mba ilaina, ho entina miaina

Zara nefa isika raha misy ifaliana
Ny hany sisa havantsika dia fahoriana
Ny olona mihodina tsy misy mijery afa-tsy ianao irery
Miezaka mitraka nefa hatrany voapepo
Ianao no sisa tokiko izarako ‘reo sento
Ny manana tsy ho havan’ireo ory na oviana
K’aleoko mangina

Na dia karazan’ireo mafimafy ady aho
Mahatsiaro sambatra aho fa manana anao
Fa na mafy na mora mianjady, tsy mba mandao

Na dia mitsimpotsimpona etsy sy eroa
No fitadiavantsika mandavan-taona
Na ny ratsy no miseho na ny soa
Dia miaraka foana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Black Jack's
Vangy : 3421
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : manana530
Daty : 06/06/2012 15:07
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0119