Tsy izany no ilaina (Bessa sy Lola)
Mpihira : Bessa sy LolaMpamaky : 2991
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 27/01/2005 01:16:35
ID : 2864
Tsy vitampo onena
Tsy vitan-dranomaso
Ny asam-pamonjena
Tsy azo atao mifampiandry andraso
Tsy azo ifanerena
Mila fandavantena
Sy hery tsy mba maty
Herim-po, herin-tsaina koa
Ny mpianatry ny Tompo
Asainy mifanompo
Na mamy na mangidy
Miaradia f\\\\\\’izany no didy
Mamonjy ny mahantra
Manarina ny lavo
Mitsabo ny maratra
Ary koa tsy mba miavom-po
Na onena ny fonao
Na tomany ny maso
Tsy izany no ilaina
Fa fifankatiavana



