SOMBIM-PANAMPIANA (Bessa sy Lola)
Mpihira : Bessa sy LolaMpamaky : 2164
Nampidirin'i : Tsingory
Tamin'ny : 10/03/2005 12:23:19
ID : 3003 Fa toa ny voninkazo
Maniry an-tany haolo
Mosarenan-dranon’ando
Mbola jejo dia malazo,
Tahak’izany koa
Ny fo tsy manana fitia
Fa velombelom-poana
Tsy misy aina tokoa.
Mba ampandefero
Ity hambom-po ratsinao
Hanjary fo misariaka
Ilay fitiavan-tenanao o!
Ario izay kaikay masiaka,
Fitiavana asolo ireny.
Raha toa ianao mijaly
Tsy ahitam-pifaliana
Ny fiainam-pahoriana
Inty aho mba hamalifaly.
Henoy izao hira izao
Fampaherezana koa
Aleo am-ponao
Sombim-panampiana koa
Mba ampandefero
Ity hambom-po ratsinao
Hanjary fo misariaka
Ilay fitiavan-tenanao o!
Ario izay kaikay masika
Fitiavana asolo ireny



