Raha mbola misy (Bessa sy Lola)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Bessa sy Lola
Mpamaky : 4253
Nampidirin'i : RAZAFINDRANAIVO Harilala
Tamin'ny : 20/10/2003 11:25:05
ID : 2014

Imprimer Facebook Facebook
Raha mbola misy tsiky
Azonao asedra ny ronjon’ny ankaso
Nahoana indrindra iky
No dia laniana foana ny vongan-draromaso
    (miverina in-2)
            
      Refrain :   Raha mbola misy ihany
                       Kintana mamiratra azonao banjinina
                       Nahoana no tomany no andanianao
                       Ny alin’ny ririnina

Raha mbola misy kalo
Azonao hiraina anaty fahavaratra
Nahoana no himalo
Mahita vodilanitra mosarena taratra