Mivady ny fitia (Bessa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Nanjary adinao ny adim-pitarainako
Nanjary fiainanao ny fiainana iainako
Ny antony satria mivady ny fitia
Satria mivady ny fitia

Rimbona ny aiko raha marary ianao
Ny masina aminao no lalaiko izao
Ny antony satria mivady ny fitia
Satria mivady ny fitia

Mahatratra ahy izay mahazo anao
Tonga alokao ny ratram-poko ao
Ny antony satria mivady ny fitia
Satria mivady ny fitia

Niaraka na faly na ory isika roa
Izany ka fanahy nifankatia tokoa
Ny antony satria mivady ny fitia o o
Satria mivady ny fitia



Tonony : Haingo Razafiarijaona
Feony : Bessa
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bessa
Vangy : 11302
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ni81
Daty : 21/11/2008 09:31
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0483