Miala tsiny (Bessa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Miala tsiny e
Miala tsiny aho rahavako
Miala tsiny aho raha tomany e
Fa tsy tiako e
Tsy iniako
Ho hitanao ny fahoriako e havako o
Fa tsy tsindry e
Tsy haiko intsony havako o
Efa niezaka aho marina mafy e
Nefa re dia tsy hafy e
ny alaheloko anao

Miala tsiny e
Miala tsiny aho rahavako o
Miala tsiny aho Raha tomany e
Fa fahiny e
Izaho ihany no nandrara tsy hanao izany, havako o
Ankehitriny e
Ankehitriny tsapako
Fa tsy zaka sy tsy toha o
Eny e
ny alahelo raha toa kobonina ao am-po.


Soava dia e
Tongava soa rahavako
Nefa aza ela loatra e
Mitsikia e
Mifalia o
Fa ny foko raha mitroatra e, havako o
Dia fitia e
ho doria, o havako
No manesika azy ao
Eny e fa miala tsiny e
raha toa nampitomany anao.
--------
Rohy:
Hevitra
F.Mandrara ( 01/05/2017 21:22)
Tena Tiako Ty Hira ity, indrindr n "version" njakatiana
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bessa
Vangy : 18092
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : lanto
Daty : 22/02/2007 09:47
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0133