Mamo (Bessa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Fa sakaizako tokoa ialahy amin’ny fo madio
Mba hividiano toaka tapany aho himamoako anio
Aza asain’ialahy miresaka aho fa tsy tantiko
Fa efa mila toa hitresaka ny ato anatiko

Dia vonoy fa aza arehitra ireo jiro ireo
Aza asian’ialahy ady hevitra fa avelao ho eo
Ary andana koa mandeha ialahy fa ndrao bediko
Sao sendrasendra ren’ialahy ny redirediko

Dia akatony mora, io varavarana io
Ndrao misy manakora fa mamo aho anio
Amin’io toaka io

Tsy maintsy afeniko an’ialahy
Fa tena hadalana ny ahy
Na zandry kely tia sy tsy foiko aza
Tsy afaka aho hilaza

Fa nahoana hoy ialahy mantsy ahy no hisotro ianao
Sao dia manimba tena lahy fa tsy fomba izao
Tsy afaka ny hilaza ny marina aho sy izay antony
Fa rehefa tsy hividy hoy aho tsy misy antony

Manambady amnjanaka aho ary tiako ireo
Tsy mba mahalala lanaka aho miasa ho azy ireo
Sainga angamba nototombintana aho fa niavaka
Te hanakatra ny kintana ho firavaka

Fa rehefa laniko io de
Mamo aho de hiaka aho de
Angamba hadino hatreo
Ity nofy ratsiko
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bessa
Vangy : 3603
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 16/11/2001 15:11
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0801