Lozanareo bibilava (Bessa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lozanareo bibilava
Taranaky ny menarana
Mihatsara velatsihy?
Ny lanitra akatonareo
Lozanareo bibilava
Taranaky ny menarana
Tsentsefinareo re ny mitondra tena
Hanatavy anareo

Fa ny vavakareo dia atao atao lavareny
Iolahanareo
Dia manampy ny helokareo izy ireny
Ka miampanga anareo

Izay ampianarinareo
Vao mainka alentikareo
Ho ratsy tokoa ianareo
Rehefa avy eo

?Lozanareo bibilava
Taranaky ny menarana
Mihatsara velatsihy
Ny rariny hadinonareo
Lozanareo bibilava
Taranaky ny menarana
Jamba ianareo mitantavana moka
Fa mitelin-drameva?

?Izay ampianarinareo
Vao mainka alentikareo
Ho ratsy tokoa nareo rehefa avy eo
?Lozanareo bibilava
Taranaky ny menarana
Jamba ianareo mitantavana moka
Fa mitelin-drameva??
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bessa
Vangy : 1796
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 24/11/2018 11:59
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113