LAVITRY NY MASO (Bessa sy Lola)


Hampiditra sary
Sary hafa
Mpihira : Bessa sy Lola
Mpamaky : 2441
Nampidirin'i : TSINGORY
Tamin'ny : 29/03/2005 12:53:58
ID : 3033

Imprimer Facebook Facebook
Raha ny fitia tsy feno fa fenofeno monja
Hitopatopa ihany manahaka ny onja
Raha fitia ivelany tsy latsaka ao anaty
Ka vetivety foana, halady mora maty
Dia betsaka no mino sady mankato        )2
Fa ny lavitry ny maso dia lavitry ny fo )

Fa samy hafa kosa, tena mifanohotra
Tsapanoa miavaka, tsy pempo fa mivoitra
Raha fitia voasedra fa saraka ny tena
Tsy manjary ankosotra ny tena volamena
Satria mantsy izao fitia tsy mety lo       )2
Fa ny lavitry ny maso vao tena akaiky ny fo)

Mba tiako kely indray haverina aminao
Tsy mba mety tonta fa maika mihavao
Ny tena fitiavana nakamban-Janahary
Mifaningotra aina toa ny vita rary
Ka na dia lavitra aza, masina ny zo       )2
Fa lavitry ny maso, vaomaika akaiky ny fo.)

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo