Kizitina (Bessa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mbola mikiry, manantena anao
Na dia impiry no voafitakao
Nangirifiry ny masoko roa
Nila tsy ho toha nefa ho aiza moa
Nangina aho fa voa

Nenina sisa lova napetrakao
Hatao tanisa ahatsiarovana anao
Nefa tsy leony fa misisika iany
Ny foko miteny, mampanantena hatrany

Mbola mikiry, manantena anao
Na dia impiry nofitahinao
Midiridiry ny masoko roa
Mijery eo aloha fandrao mba hifoha
Ilay fitia taloha
Mijery eo aloha fandrao mba hifoha
Ilay fitia taloha
Mijery eo aloha fandrao mba hifoha
Ilay fitia taloha


BESSA (Lôla & Nanie)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bessa
Vangy : 1953
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : Natoro
Daty : 08/02/2018 13:56
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.202