Hambom-po (Bessa sy Lola)
Mpihira : Bessa sy LolaMpamaky : 2187
Nampidirin'i : MiRa
Tamin'ny : 02/09/2003 12:00:40
ID : 1914 Fa toy ny voninkazo
Maniry an-tany hay
Mosaren-dranon’ando
Mbola tsy soa dia malazo
Tahak’izany koa
Ny foa tsy manana fitia
Fa velombelom-poana
Tsy misy aina tokoa
Mba ampandefero
Ny hambom-po ratsinao
Hanjary fo misariaka
Ilay fitiavan-tenanao
Ario izay kakay masiaka
Fitiavana mahasolo ireo
Raha toa ianao mijaly
Tsy ahitam-pifaliana
Ny fiainam-pahoriana
Inty aho mba hamalifaly
Henoy izao hira izao
Fampaherezako anao
Aidiro am-po atao
Sombim-panampiana ho anao



