bibilava (Bessa sy Lola)

Mpihira : Bessa sy Lola
Mpamaky : 2851
Nampidirin'i : angemiiicky
Tamin'ny : 31/08/2006 09:54:43
ID : 3853

Bibilava sinambotr’ankizy ny foko
Tsy tanana andrangotra
Tsy tongotra hitsipaka
Nefa dia manantena ho afa-toloko
Raha toa ka omenareo
Fitia tsisy fitaka


Asakasakareo raha sahy hietraketraka
F’efa babonareo vao hoe aoka hipetraka
Asakasakareo raha toe ka hamotika
Hamela hilofika
Ity fanantenako.



Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Lola


Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo