Aza manao an'izany (Bessa sy Lola)

Mpihira : Bessa sy Lola
Mpamaky : 2368
Nampidirin'i : Lanto
Tamin'ny : 04/12/2003 06:36:05
ID : 2157

Kinga ery hono ianao mitsingoloka anay eny e
Fa maditra sy dondrona tsy mba mahay eny e
Dia lazaina fa kevoka te-ho ambony eny e
Nefa lavo ka tsy hotafarina intsony eny e

Fiv

Maika ery hono ianao manely ny tsaho eny e
Fa tsy tianao, tsy tianao, tsy tianao aho eny e
Dia lazaina fa mbola misisika ihany eny e
Nefa injato no efa natao an’izany eny e

Fiv

Ankehitriny aho raha mianjona f’efa tsy tiana oh oh oh
Dia lazaina fa olona tsy azo itokiana oh oh oh
Dia lazaina fa mpivadi-dela malaza oh oh oh
Tsy azo inoana na dia miozonozona aza oh oh oh

    Fiv :
    Nefa aza manao an’izany eeee aza manao an’izany
    Tsy lanitra akory eto an-tany eee aza manao an’izany
    Ny rasa mivadika ihany eeee aza manao an’izany
    Mbola ho ambony ny ambany eeee aza manao an’izany

Nefa aza manao an’izany eeee aza manao an’izany
Tsy lanitra akory eto an-tany eee aza manao an’izany
Ny rasa mivadika ihany eeee aza manao an’izany
Mbola ho ambany ny ambony eeee aza manao an’izany

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo