ANDAPA (Bessa)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tongava soa ialahy tandremo raha mby any
Fandrao lazain’ ialahy i Papa hoe tomany
Ny hanafarako an’ialahy ho any Andapa
Sao i Mama malahelo koa

Raha vao tafidina avy eny ambony fiara
Tsoahy ny kapa na kiraro hanambara
Fa tany mamintsinka anie ny any Andapa
Any Andapa lapa soa tokoa

Lazao i Laure hoe ilay sarinay taty
Tsy miala eny amiko hoatran’ny hohaniko
Ampihomehezo koa kala Landy sy Gaby
Eo ambody angezoka
Hitondray angezoka

Tongava soa ialahy
Veloma any Andapa
Ampifalio ny fon’ i Mama sy i Papa
Fa raha tafita hoe isika any aoriana
Any Andapa no hodiana



Tonony sy Feony : Bessa
Mpihira : Lola - Mpionona - Lala
--------
Rohy:
Hevitra
arnelson18 ( 10/06/2015 19:58)
Tiko be mihintsy ty hira andapa ity, mifono fitiavana ray amandreny
hery ( 10/06/2015 23:47)
Tsindrio ilay sarina FO raha tianao be an :-)
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bessa
Vangy : 6286
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : angemiiicky
Daty : 31/08/2006 09:46
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.5173