You are here: home > Tononkira > Bessa

Amontana (Bessa)

Amontana anankiray avo be
Izay ngeza sy midoroboka
No fototra nipoirako
Tahaka ny voaloboka
Tambanin’ny alokalony
No mitoloko miadana
Voaaro amin’ny andro be
Tsy voafaokan’ny rivotra.

Ka rehefa tsy eo intsony
Ilay hazo tena lalaiko
Mbola ataoko ho rehareha
Izany atao hoe dimbiny sy sotononkira.serasera.orglofony.

Rehefa ela aho dia lehibe
Fa izy kosa nidoboka
Nazeran’ny fahanterana
Ka zary maina sy boboka
Ny vorona amin’ny kalony
No mitantara mahalana
Fa nifarimbona hono hoe
Ny havandra loza sy rivotra.

Na dia efa tsy eo intsony
Ilay hazo tena lalaiko
Mbola ataoko ho rehareha
Izany atao hoe dimbiny sy solofony.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Bessa
Mpamaky : 10839
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i :
Tamin'ny : 18/01/2002 20:25:57
ID : 495

Henoina (sombiny)

Sombiny ihany aloha no henonao eto fa azonao alahatra ao amin'ny RadioVazoGasy

Alaharo ao amin'ny RadioVazoGasy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo