Zah' Gasy (Benja Mahavanona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
ZAH'GASY

Magnatsimo de mangaliba
Magnavaratra ny salegy
Oee, zany gnanay.
Antsinagnana rô basesa
Avy andrefagna ny malesa
Oee, zany gnanay.

Maromaro fomba fandihizana eran'izao tontolo izao
Fa ny Gasy mbola hafa ihany
Maromaro karazankira eran'izao tontolo izao
Fa ny Gasy mbola hafa ihany.

Ô zoky e, ô zandry e
Aza ambaniana
Ny mahagasy anao
Ô zoky e, ô zandry e
Aza mba ariana
Fa Gasy ianao.

Na erôpa na zamerika
Dia malaza ho paradisa
Ooee, tsy atakalo nganay
Dia lay nosy malalantsika
Ao atsinanan'i Afrika
Ooee, Gasikara 'nganay.

Be tany mahavariana
Eran'izao tontolo izao
Gasikara mbola hafa ihany
Be tany malaza manana
Eran'izao tontolo izao
Gasikara mbola hafa ihany

Ranomasina
Manodidina anay
Tapaka sy namana
Ary koa havana
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Benja Mahavanona
Vangy : 2322
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : piou
Daty : 25/09/2013 15:49
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0714