You are here: home > Tononkira > Benja Mahavanona

Sanganehana (Benja Mahavanona)

SANGANEHANA
Zaho mantsy
Te-hanontany anao fa....
Sakodiavatra
Atosiky ny ambopo.
Haiko fa....
Tsy vitsy ihany koa
Ireo manadala 
Te-hambabo anao.
Akimpio ny masonao malala
Avia etsy ho fihiniko.
Sanganehana ihany aho
Tsy mahaloa-peo
Vao tandindominao.
Tiako mba ho ahy samirery
Izato vatanao malala.
Sy ny tontolo mamofona ny momba anao, 
ho ahy irerytononkira.serasera.org moa.
Haiko fa....
"ny anilanao" 
dia manome aina
Ny anton'ny fiainako.
Tsy afaka antsaiko
Tonga nofiko
Ny hoe "izaho sy ianao"
Dia iray fa tsy ho roa.
Etsy ianao fihiniko malala
Meteza hanoroka ahy koa
Sanganehana ihany aho
Gina foana teo
Raha vao jinerinao.
Tiako mba ho hay tsianjery 
Ny "isan'andronao" malala
Tiako mba ho ahy samirery manombok' izao 
ka ho mandrakizay.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Benja Mahavanona
Mpamaky : 1341
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : piou
Tamin'ny : 23/03/2013 11:24:36
ID : 6297

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo