Nofin'ny alina (Benja Mahavanona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Tonga ny alina, hanofisana anao
Hikimpian’ny masoko indray
Feon-dokanga arahin-gitara no re
Miantso anao hiverina indray

Ilay akanjonao,’lay nentin-nande
Sao mangitsy ny any aminao
Ireo hiranao fony mbola tety
Mbola mamin’ny molotro

Nofin’ny alina sisa
Sisa namana
Hiafiana ao indray f’efa maika ny handeha
Sao d tratry ny andro maraina

Ny tantaranao, zay tavela ao am po
Tsy ho adino mandrakizay
Ny hasambaranao sy ny fiainako ety
Mbola hafa ny antsika roa

Ilay sarinao nahaontsa ny fo
Mifono taratrao tena tia
Nofinofinao,nofy hiadanako
Misy hanamisàna aminao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Benja Mahavanona
Vangy : 6987
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : mihanta
Daty : 22/10/2005 10:40
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0144