Namako sariaka (Benja ANDRIANTAHINA)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Izaho sy ianao dia iray tanàna
Indrindra koa moa f'iray lycée
Indreny mifampitaona vao maraina
Ndeha ho any an-tsekoly, mivimbina kahia
Rehefa ianao no te-hody
Tsy miera akory
Tsy mandraharaha
Manao tsidi-pahitra foana ny sekoly
Ny itiavako anao d'ianao sahisahy

Ry namako sariaka feno fitsikiana
Midoboka ny foko manana anao
Ravoravo fo, feno fifaliana
Malahelo kosa raha ilaozanao

Tadidinao ve ireo andro efa lasa
Izay niarahana tam-pahendrena?
Tsy haiko hohadinoina na hoe hofafàna
F'efa natokako ho fotoana volamena
Herintaona sisa dia hiaraka isika
Tsy hobedesin'i neny intsony
I Neny izay nataoko hoe olona masiaka
Hay tsara fanahy marina tokoa

Hijaly anefa isika ry namako sariaka
Hamakivaky irery izao fiainana izao
Hisedra ny mangidy, higoka ny mafaitra
Na ho sambatra aza eo anilanao

Namako,
Namako....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Benja ANDRIANTAHINA
Vangy : 3452
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : lanto
Daty : 13/10/2016 09:24
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3384