Fankaherezana (Belou)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Intro:
Ny olona tera-behivavy dia vitsy andro sady votom-pahoriana, mitsimoka tahaka ny voninkazo izy ka jinjàna, ary mielina tahaka ny aloka ka tsy mitoetra...
Fankaherezana avy aty amin'i Beloha, ho an'ny akamako, yeah...


Izaho,... Rahalahinareo ao anatin'ny kaikitry ny fahoriana
Fantaro,... Fa eto an-tany tsy vitsy anie ny antony tokony hifaliana
Ny teny voasoratry ny penina raisiko, manavao indray ny faniriana
Ireo sangan'asa narosoko mantsy efa vavolombelon'ny fijaliana
Indro,... Efa haiko ny manova ny tsatok'antsy ho safosafo
Ny saiko mantsy ny ahy no harenako ary ananako mitafotafo
Tsy voavidy vola aman-karena baina na misy sahy hividy lafo
Dia kôpy ny mahantra rehetra fa manana tany gorodona sy lanitra tafo
Dia tsarovy ny andro nandraisanao sy nandrenesanao ary tano mafy
Tsy misy mpanan-karena tonga eto an-tany ka avy hatrany dia nitafy
Sambatra izay noana sy mangetaheta, sambatra izay efa zatra niafy
Fa efa zatra ny donan'ny fiainana manana fomba fijery maro lafy
Raiso ho anatra ny fianjerana ka ento miarina raha te ho tafa
Fa aza mialona ny ratsy fanahy, aza mikendry ny hanimba ny hafa
Reseo amin'ny soaa ny ratsy, reseo amin'ny tsikinao ny taimbava
Ka iaino amin'ny fiainana mahafinaritra ny tontolontsika efa rava


Na mahatsapa ianao fa toa fahazarana ihany ny fitiavana
Na tsy azo tsapain-tanana izay soa mba vitan'ny havana
Na ny kapoaka mangidy tsy mety miala, ny tomponao mihidy vazana
Na ny tsara vitanao tsy misy tadidy fa ny ratsy ihany no tazana
Na roaka alika no azonao raha iny ianao mila fanambatambazana
Na toa nahatsiaro ho very ianao, lavitra anao ny fahombiazana
Akaikin'ny fahaverezana, ny andry iankinana lasan-ko razana


Dia mahereza ianao rahalahy, mahaiza mionona ianao ranabavy
Fa ny fiononana no ahakobonao ny hakanton'ny fiainan-koavy
Na namadika aza ny sakaiza na naka ny toeranao ilay rafy
Na fisarahana an-tany ry akamako, tsy maintsy ekena na pafy
Na ory aza ny fonao, na manenjika izao tontolo izao
Na hiomehy ny faharavanao ny rahavalo na handrora anao tsotra izao
Tsy quoi... fafao ny ranomaso, asehoy amin'izay ny herinao
Fa efa im-betsaka loatra ny sento, efa natao izay azo natao
Lehibe ny fitiavana, fa ny herin-tsaina no lehibe indrindra
Bobaka anie ny hevi-diso mody tsara lahatra sy tsara rindra
Levony ny faharavam-panahy ka ankehitriny mahaiza mamindra
Ka ny lohabe entina miady baina no andeha hahindrahindra
Mamy ny fiononana, mamy ny Ray, mamy ny Reny
Tadidio fa mamy ny fananarana nalefany ombieny ombieny
Tadidio, fa eto an-tany manindrona mampahory toa ireny
Tadidio, fa sarotra ho an'ny maso ny mahita an'ireny

Na mahatsapa ianao fa toa fahazarana ihany ny fitiavana
Na tsy azo tsapain-tanana izay soa mba vitan'ny havana
Na ny kapoaka mangidy tsy mety miala, ny tomponao mihidy vazana
Na ny tsara vitanao tsy misy tadidy fa ny ratsy ihany no tazana
Na roaka alika no azonao raha iny ianao mila fanambatambazana
Na toa nahatsiaro ho very ianao, lavitra anao ny fahombiazana
Akaikin'ny fahaverezana, ny andry iankinana lasan-korazana

outro:
Dia mahereza ianao rahalahy, mahaiza mionona ianao ranabavy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Belou
Vangy : 1004
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 16/10/2017 10:22
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0713