RENIVOHITRA (Belahy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1-Mangata-dàlana fa andeha hiakatra ho any an-drenivohitra ô.
Avy any @ dezaka no fiaviako voadidin’ireo tendrom-bohitra ô
Efa hatry ny ela no efa naniry hiakatra hijery an’izany an!
saingy ny saran-dàlana no mbola tsy ampy satria misondrotra hatrany an

Nandalo teo Anosibe ny fiara
Fotaka maimbo tsy mahate hiala
Raha tany aminay io natao tanimbary
Nambolena hitsinjovana ny andro mosary
Fotaka loto arabe sy bazary
No mifanakaiky ary miharihary
Nalefa ny tatitra tsisy namaly
Gaga ny pokona taitra ny tary oooo

FIV:
Hay ve tahak’izany no an-drenivohitra
hay ve eny an-tsena aza mihoso-potaka
Hay ve tahak’izany ny aty any @ ville
hay ve ny sarety aza mbà mi-style.

ANTANANARIVO no natao môdely
Eny Anosy aza nasiana anjely
Avy any Andravoahangy aho no nankeny Isotry
Indray andro mba nirenireny
Rakotra fotaka hatramin’ny kiraro
Tafiditra hatramin’ny rano

Hay ve .....

2-Tsy mahatamàna ny rivotra ety fa revena milamina ihany an
Setroka maro no mifangaroaro :sigara,lasantsy ,gazoaly ô..
Misy tanàna aza mbà misy jiro kanefa poteau tsy mirehitra aaa
Mandravarava ireo tonta kely mandroba fa nahazo sehatra

Fiainana an-drenivohitra izy ity
Izay tsy manana sy taraiky 4 mi
Hatramin’ny kilemaina no mangataka
Mba te hikandra ihany fa tsy afaka
Ny momba an’ireo mahantra tsy haiko intsony
Ny biby eny Tsimbazàza no ambony
Inona ihany koa no malàza
Hatreny @ hôpitaly ny hala-jàza
Tsy resaka honohono na angano
Fa tena misesisesy ny hain-trano

Hay ve.....
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Belahy
Vangy : 4881
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : joda
Daty : 12/05/2006 15:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1617