Mpangalatra hira (Belahy)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1
Dia vitanao ny namely tsaho makatsy sy aroa
Nahazo vola ary faly kokoa
Dia tsy niraharaha
Fa hoe tsisy dikany ny OMDA
Sady efa maty ingahy Rabelahy
Ka tonga dia lasa nandray micro
Fa nahazo vola amina millions

Tsy mba nitsemboka na nisahirana
Fa vetivety dia nahavita vazo ao anaty kapila
Kapila mangirana
Atositosika mba ho vedety
Manao lancement amin’ny internet
Dia nanararaotra nanao pirate
Satria rabelahy, hono, dia efa maty


Bridge:
Ka inty aho mbola mihira
Mihira aho, mihira ary manao hoe:

Ref:
Tsy aleo ve enjehan’ny omby masiaka r’ikala
Mitavana tsy mba misasatra anie ka tsy tsara
Dia hihira sao mba te halaza, handova velona
Inty aho tsy mbola maty ary koa tsy marenina

Madama sa mademoiselina
Miharihary fa tsy hay afenina

2
Tsy aleon-ndry mandray anjara manao Pazzapa
Dia mba midongy ao anaty villa
Kanefa tsy sahy
Mandray anjara manao casting
Fa rainitetaka tsy ampy feeling
Izao indray dia mitatata, mangalatr’hira fa mba te halaza
Angaha moa indry tsy mba menatr’olona fa mpanakanto
Fa mpanakanto nefa tsy mamorona fa dia mandika
Manao zika mitatasiaka
Manodikodina ny efa vita
Miala tsiny! Mba mifanajaha
Fa tsy havanao ingahy Rabelahy

Bridge:
Ka inty aho mbola mihira
Mihira aho, mihira ary manao hoe:
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Belahy
Vangy : 1055
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : blahblah
Daty : 25/05/2019 00:21
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0732