bonne chance (Belahy)

Mpihira : Belahy
Mpamaky : 1517
Nampidirin'i : blahblah
Tamin'ny : 28/02/2010 10:51:16
ID : 5790

Imprimer Facebook Facebook
Tena babo tokoa ny foko vao nahita an-droky
Tsy nahita ny lalan’kombana saiky hidofotra t@ tolana
Ny vavako tsy nahatana fa avy hatrany dia niantso hoe
Malala !
Dia niaraka isika ka nanjary nifankatia
Isan’andro dia miara-dia, mifamihina rehefa handeha hody
Dia nanao revy totozy
Fa satria mbola tsisy papoozy

Ary isika tsy zatra nihafy satria nanam-bola tahirim-banky
T@ izany rehefa mirozy mandeha picklahy fa tsy ligne 11
Tonga hatrany amin’ny restaurant rehefa kamo mahandro babà
Dia nihinana sady nisotro
Tsy nisy nivavaka t@ tompo

Bridge :Ankehitriny ny zaza efa 5 fa aza kizitina
           Dia hiakatra 6 indray io satria efa bikina
           Ny antsika ny tahiry kely efa foana sy kikina
           Ianao mbola te hi-style andeha bikina

Efa tena tsy zakan’ny tsena
Ny vidim-bary, savony sy hena
Hatramin’ny frais
Ka ho tsofiko rano ianao raha toa ka handeha
Hanao ny revin’ireo kala be
Fa i Papa tsy manao vengeance
Avelao ny papoose hi-stance

Ref : soava dia !!! soava dia e !!
        Soava dia raha handeha ho any Etats Unis
        Bonne chance ! bonne chance e !!!!
        Bonne chance ianao
        raha ho any France

Ianao no mahalala milaza fa hoe tsy tamana
Tsy maninona fa mandehana
Fa izaho tsy mahay fahagagana
Hanafahana ny fahantrana fa satria aho kely karama
Nanantena ny hilamin-tsaina hahazo  fiara
Zava-doza  no indro mitranga, mikorontana hatramin’ny zaza
Isan’andro dia miady lava
Tokantrano aza efa ho rava
Ianao tsy manaiky resy, manara-damaody
Manenjika fety
Ny ankizy ato an-trano mitombo
Mitombo isan-taona mifanesisesy
Tokantrano nivarina an-kady fa isika mivady tsy nanao kajy
Ka vao tratran’ny embouteillage sy délestage dia hisara-bady

Bridge : Ankehitriny ny zaza efa 5 fa aza kizitina
            Dia hiakatra 6 indray io satria efa bikina
            Ny antsika ny tahiry kely efa foana sy kikina
            Ianao mbola te hi-style andeha bikina

Efa tena tsy zakan’ny tsena
Ny vidim-bary, savony sy hena
Hatramin’ny frais
Ka ho tsofiko rano ianao raha toa ka handeha
Hanao ny revin’ireo kala be
Fa i Papa tsy manao vengeance
Avelao ny papoose hi-stance

Ref : soava dia….
...................