Volana hono izany isika (Barijaona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
(vavy) Volana ,volana
(lahy) Volana hono izany isika
(vavy) Volana hono izany isika
(lahy) Mandefa taratra eny ambony
Na masoandro mibaliaka
Mibaribary tsy malony
(vavy) Kintana,kintana
(lahy) Kintana mihiratriratra
(vavy) Kintana mihiratriratra
(lahy) Mitafy rahona mamiratra
Na ho rivotr’irakiraka
Manafosafo morontsiraka

Ary izao tontolo izao
Ny tany sy ny habakabaka
Hanjary kianja vaovao
( lahy) Hanjary kianja
(vavy) Hifaninanana hazakazaka
(lahy) Hifaninanana x2
Ary ireny rehetra ireny
No fiainam-paradisa
(vavy) Toa ombieny ombieny
(lahy) Toa fanahy handravaka
Ny androntsika sisa

(vavy) Volana ,volana
(lahy) Volana hono izany isika….


Barijaona
?
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Barijaona
Vangy : 1693
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Natoro
Daty : 12/02/2018 10:55
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0111