VELOMA RY IARIVO (Barijaona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Toa tsinjoko eto ihany
Iarivoko any ho any
Nilaozako niampita
Ka takona tsy hita
Ny tenako nilefa
Ny sariny kanefa
Manjohy manaraka ahy
Mambabo ny fanahy

Tsy fidiny ahy moa
Itony morontsiraka
Ny fahoriana moa
No tonga ka naniraka
Iriko ny hiharaka
Ka satry tsy hisaraka
Ka vetsovetso foana
No tonga manoloana

Veloma no fantenana
Ry Iarivo soa fonenana
Ny fo anatiko ao
Tsy mba hanadino anao
Ho avy ny andro iray
Hihaonantsika indray
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Barijaona
Vangy : 3994
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 07/09/2002 11:26
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.071