Tafasiry (Barijaona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Mandefa eritreritra eny
Lasa vetsovetso foana
Mahatsiaro ilay fahiny
Irony lasa izay nimaona
Mahamalomaloka endrika
Mahakivikivy saina
Mampitoloko samy irery
Mampamelona taraina

Toloko mila hampilofika
Toloko mahavaky fo
Tafasiry samy irery
Eritreritra tokoa
Voatsiahy irony lasa
Rotika ny fo ny saina
Eritreritra(x2)
Eto antany karankaina
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Barijaona
Vangy : 3705
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 02/12/2003 05:14
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.1419