Lainga raha hisy izay fanadinoina (Barijaona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Lainga raha hisy izay fanadinoina
Handrakotra ny androm-pitiako voakaso
Tsy zaza matory io ka safosafoina
Dia mety ho rendrik’izay torimaso
Fa na hianavaratra, na hianatsimo
Ny tsiaron’ny foko tsy lefin’izany
Totofana foana (totofana foana)
Kanefa tsy adino (kanefa tsy adino)
Akipy ny maso, fa hita ao iany

Ny fahatsiarovana tsy azo tsaboina , fa mamy mangidy ao anatin’ny fo
(Ny faha……….…….tsiarovana tsy azo tsaboina ….……fa mamy mangidy)
Tsy tiana hierika nefa nantsoina x2
Toa afon’apombombo tsy hita fifoha

Lainga raha hisy izay fanadinoina
Handrakotra ny androm-pitiako voakaso
Tsy zaza matory io ka safosafoina
Dia mety ho rendrik’izay torimaso
Fa na hianavaratra, na hianatsimo
Ny tsiaron’ny foko tsy lefin’izany
Totofana foana (totofana foana)
Kanefa tsy adino (kanefa tsy adino)
Akipy ny maso, fa hita ao iany

Barijaona sy Ossuza (Rado/Ramaroson Wilson)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Barijaona
Vangy : 2462
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : Natoro
Daty : 20/02/2018 10:35
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.012