HO MELOHINA VA NY FOKO (Barijaona)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Ho melohina va ny foko
Raha niantefa taminao
Rotsirotsy safosafo
No natolotro anao
Eny raiso sombin’aina
Tsy antery tsy akory
Raha tsy tianao hangaina
Izany foko oriory

Eny, eny ho aho ry foko kely
Izay mizaka izao rehetra izao
Mba zakao na mangidy na tantely
Fa any andro hifalian' izaho sy ianao

Ho melohina va ny foko
Raha niantefa taminao
Asanao ry nantenaina
Asa izay sitrakao
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Barijaona
Vangy : 7760
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra :
Daty : 13/08/2002 12:20
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113