You are here: home > Tononkira > Barijaona

Ho anao no ikaloako (Barijaona)

Ho anao no ikaloako ‘zao hira izao,
Ho fahatsiarovana ny andro fahizay,
Fony izaho sy ianao nivoady ny ho doria,
Tsy ho arahina talaho,
Fa ho hajaina ilay fitia.
Tsaroako izany teo amoron’ny farihy.
Nanatri-tava tononkira.serasera.orgteo ny andiam-boron-dia,
Nanasa antsika mba hisariaka,
Hanamafy ny dinan’ny tiana sy ny tia.

Tsy ho adino irony loka sy fanamby
Niaro tsiky, safosafo, tambitamby;
Nampiana kalo mba tsy himalo,
Tsy ho atakalo
Ny rendrarendra izay mandalo.

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Barijaona
Mpamaky : 2984
Mpakafy : 0 Ankafizo
Nampidirin'i : ari.malala
Tamin'ny : 01/04/2008 14:02:12
ID : 5120

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo