Andriambavilanitra (Bambs)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Latsaka an-tany toy ny anjely, tsy iza izany fa ny ampela
Raha oharina amin’ny loko izy izay dia mavokely
Ampelasoa, kobonao fa ho anà sy ho anao izy mamela soa
Ity kôzy iraim-bava, “voninkazo” atsipy, atoraka ho anareo ry andriambavy
Ny zavavy manainga fanahy, izy mampiakatra hafanana tokana aman-tany
Ravaky ny tokan-trano, tsapao any anatinao io fitiavany io tonga hatrany
Faharetana, fiaretana ho azy akora, tandra vadin-koditra ho azy ny angola
Io na iza na iza, na aiza na aiza mankamamy azy eran-tany
Te-ho tafian’ny hafanany, te-ho tefen’ny hatsaràny
Andriambavilanitra, izy anilanao, ianao finaritra
Eo ny viavy tsy be famaritra, mandeha ho azy ny azy ny toetra maharitra
Misy fotoana izy tsy misy handahàrana, fa raha sombinainy ianao dia lohalaharana
Yeah!
Ity 1 ho an’ny viavy, sitraka ho azy, (mba) hiloloha fahasoavana avy amin’ny Avo


Andriambavilanitra, isika no herin’ny fiainana
Andriambavilanitra, isika no fanafodin’ny fanantainana
Andriambavilanitra, masoandro amin’ny andro maloka
Andriambavilanitra, amintsika ny tany no mialoka


Ny tambitambin-drý io, tano tsara fa tsy hahafoizan’ny bandy andrý io
Fihetsika taratra hazavàna, mitarika Fanajàna, tsy be filirony ihany no mandaitra mazàna
Raha saro-piaro izay ny anao vavy, dia tadidio fa saropady izay ianao ry bandy!
Yeah bandy!
Eny an-tratranao izy mahatoky hatrany anao, tokana ho azy ianao,
Tsapao ny fihantahantany, dia raiso ho fitia, faniriany anao izany
Fa ny fisianao hery ho azy hitrakany raha sendra misy mahavery azy
Ho andrý izay sembanin-drahona, io nofinofy io aza avela simbain-dRanona
Izay bika aman’endrika, aza ataon-drý sakana mandrendrika
Ho an'drý ilay niafy ambany sehatra, areheto ilay talenta miafina mampitselatra
Salory ohatra ny vakana, ataovy ravaka mandravaka ny vatana
Fiaviana, fiafiana, raiso ho tombony iavahana amin’ny mpanakiana
Aleo izy ho taraiky aoriana, ny antsika no atao izay hahasoa ny any aoriana.

Andriambavilanitra, isika no herin’ny fiainana
Andriambavilanitra, isika no fanafodin’ny fanantainana
Andriambavilanitra, masoandro amin’ny andro maloka
Andriambavilanitra, amintsika ny tany no mialoka



Tonony sy feony : Bambs, TongueNat
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Bambs
Vangy : 2971
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 27/01/2015 22:48
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0113