Mahery fo (Balafomanga)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
'Reo Razambe dia nitolona
Niaritra ny mafy sy ny mafaitra
Reo Razambe dia nitolona
Mahery fo
Tsy nanaiky noandevozina
Teo ambany ziogan'ireo Vazaha
Tsy nanaiky noandevozina
Mahery fo

Fa maty ho an'ny Tanindrazana
Aleo maty toy izay mamadika
Fa maty ho an'ny Tanindrazana
Mahery fo
Natao sorona izy ireo
Nitomany azy i Madagasikara
Natao sorona izy ireo
Mahery fo

Tamin'ny taona 47 (29 Marsa)
Samy nikomy ny gasy manontolo
Gasy samy Gasy

Be ireo antoko zay tena nalaza
VVS - PADESM - MDRM
Mbola ho avy ilay maraina volamena

Tantara mipetraka ho an'i Gasikara ny (29 Marsa)
Tsisy tsy malahelo ny taranaka amam-para
Tsy amidy i Gasikara


Tonony sy feony : Andry RAKOTOZANDRY alias Andry Balafomanga
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Balafomanga
Vangy : 1376
Mpankafy : 0 Ankafizo
Nampiditra : ikalamako
Daty : 19/04/2018 13:00
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.3696