Hitombo lalandava (AZARIA Groupe Artistique)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
1) Hisaotra an'i Jehovah lalandava izahay
Ho eo am-bavavay mandrakariva ny fiderana Azy
Mendrika isaorana,isaorana mandrakizay
Jehovah no reharehanay, tsara Izy, tsara Izy

Réf: Hitombo lalandava ny fideranay fideranay
Satria tsapanay tokoa, fa tsara Ianao (tsara Ianao)
Ka ny fanatenanay mandrakizay mandrakizay
Satro-boninahitra,fiainana maharitra ary fiainan-danitra

2) Fandresena vitany natolony ho anay
Fasana efa resiny ka santatra ho antsika zanany
k'indro efa levona, efa levona ny tahotra
Dradranay, eny ventesinay tsara Izy, tsara Izy.

Réf: Hitombo lalandava ny fideranay...
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : AZARIA Groupe Artistique
Vangy : 1250
Mpankafy : 2 Ankafizo
Nampiditra : Randjaandraina
Daty : 01/06/2018 20:32
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0728