Mahatsara ahy (Asaph)

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
"Ho Anao Jesosy, ho Anao ny foko
Dia ny fanoloran-tenako
atolotro ho Anao Jesosy
Ho Anao"

Izaho hametraka ny fanantenako ao Aminao
Ka tsy hanadino ny asanao
Ary ho atolotro ho Anao ny finoako Jesosy ô
Tehirizo aho mandra-pihavinao

Fa Ianao no anjara lovako
Raha mbola velona ety an-tany aho
Indro ho atolotro ny foko,
Ny saiko rehetra mba hanjakao

Aza lavina, ity aho manolo-tena ho Anao
Ianao no hany safidiko
Ka raiso aho e, rakofy ao ambany elatrao
F'ao Aminao ihanhy no mahatsara ahy
Eny, mahatsara ahy

Izaho hametraka ny fitiavako ao Aminao
Ka hiantso Anao hamonjy ahy
Indrindra moa f'amin'ny andro fahoriako
Dia Ianao ihany no antsoiko Raiko

Fa Ianao no anjara lovako
Raha mbola velona ety an-tany aho
Indro ho atolotro ho anao ny foko,
ny saiko rehetra mba hanjakao

Aza lavina, ity aho manolo-tena ho Anao
Ianao no hany safidiko
Ka raiso aho rakofy ao ambanin'ny elatrao
F'ao Aminao ihany no mahatsara ahy
Eny mahatsara ahy

Mahatsara ahy
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : Asaph
Vangy : 2070
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : voctoskeba
Daty : 12/09/2018 09:42
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.8447