Inona moa (ASAFA (Antsan'ny Sekoly Alahady Fanantenana Ambohijafy))

(Nalaina tao amin'ny tononkira.serasera.org)
Inona moa ny heriko?
Inona moa ny tanjako?
Raha tsy miaraka Aminao Jesoa!
Ts’inon-ts’inona akory aho
Inona moa ny vitako?
Inona moa ny ho ariko?
Raha tsy Ianao no nitantana ahy
Raha tsy Ianao no manomana
Ny amiko rehetra efa Anao
Ny Ainao aza nafoinao
Nisolo voina noho ny otako
Mba ho fiainana ho ahy
Ny entako aza dia maivana
Ny asako aza milamina
F’Ianao no fitsaharana
Ny fahavaloko aza nanaiky ahy

Solo:
Lazaiko anao sakaizako!
Izay miankina Aminy
Dia tsy mba manana ahiahy
Amin’ny hoaviny
K’andao iara hidera Azy
Iara hitoetra ao Aminy
Ambarako amino
Fa tena miavaka Izy
Ray; Zanaka; Fanahy; Tsy miova, Omaly; Anio; Rahampitso; Mahagaga; Be fitia; Tsy mandao

Lehibe Ianao Tompo o!!!
Lehibe Ianao Tompo o!!!

Ma’Ira

ASAFA (Antsan'ny Sekoly Alahady Fanantenana Ambohijafy)
--------
Rohy:
Hametraka hevitra
Midira aloha
Momba ny hira
Mpihira : ASAFA (Antsan'ny Sekoly Alahady Fanantenana Ambohijafy)
Vangy : 1306
Mpankafy : 1 Ankafizo
Nampiditra : fitia6
Daty : 18/07/2016 19:33
Hihaino

Mbola tsy nisy nampiditra hira

Hampiditra
Tondrom-peo

Mbola tsisy nampiditra tondrom-peo

Hampiditra
© serasera.org 1999 - 2024 - page load 0.0746