You are here: home > Tononkira > Art'feo

Tsiahy anao ry neny (Art'feo)

N'inona atao dia ahatsiarovana anao
Manaraka eny foana ny alokalokao
Ny soa napetrakao,lasa ianao vao tena tsapa
Mahatsiaro banga izao,ny alahelo tsy omby tratra

Tsy misy intsony koa ilay vantanina ao an-trano
Ilay mpikarakara fatratra natao ho aina
Na malaza masiaka aza tena be ronono
Fitiavanao ry neny tsy misy mahasolo

Neny malala
Ireo anatrao anie tsy hijanona tononkira.serasera.orgho tantara
Ho angady hiatrehanay ny fiainanay
Dia ho reharehanao izahay rehefa rahatrizay

Ny adidinao manjary lasa andraikitray
Soa fa efa nozarinao izahay fahizay
Tsapanay koa fitiavana ilay ireny
Raha mbola samirery ianao no tena modely

Raha azo natao hitoetra lalandava
Saingy matoa voasoratra izao
Dia misy zavatra tian'ny Ray ho tsapako sy ianao
Ankoatra ny maha-fandalovana izao tany izao

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Art'feo
Mpamaky : 569
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Ulrichandry
Tamin'ny : 14/08/2017 10:52:16
ID : 9853

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo