You are here: home > Tononkira > Aron Mahandry

Ataovy tonga any (Aron Mahandry)



Fa na lavitra aza izy dia izao teniko ataovy tonga any
Za tsy anadino fa iezaka ny hitia anazy atrany
Ka fitia vaovao isanandro no atolotro ho azy irery ihany
Lay tiko, nofidiko tanatin’ny maro

Fa izy lay nambabo e,lay nitondra fiovana e
Nahatafalatsaka ahy
Ka omeko fanajana e,ho ampiakariko ho madama
Fa aza manahy

Ka omeko fitia ,fitia ho doria ,ho mandrakizay
Fa izy lay tokako,lay malalako ,lay silampanahy

Dia aza manahy itononkira.serasera.orgntsony hono hoe ataovy tonga any
Fa izy tsy hiova intsony na misy reo fakampanahy
Ka lazao azy any hoe fa ianao efa nataony mpanjaka
Lay mpandidy,mpanapaka ny fanjakany

Fa ianao hoe lay nambabo e,lay nitondra fiovana e
Nahatafalatsaka azy
Ka omeny fanajana e,ho ampiakariny ho madama
Fa aza manahy

Ka omeny fitia ,fitia ho doria,ho mandrakizay
Fa ianao hoe lay tokany,lay malalany ,lay silampanahy

                 Aron Mahandry
                  09 mars 2018

Hametraka hevitra

Midira aloha

Mpihira : Aron Mahandry
Mpamaky : 64
Mpakafy : 1 Ankafizo
Nampidirin'i : Mahandritiana
Tamin'ny : 13/04/2018 19:35:42
ID : 10531

Sokajy

Tondrom-peo

Hampiditra tondrompeo